Cercueil de Madagascar. Une production de CM Visuel directed by Tiavina Rabarison
Ankasina dia tanàna kely any ambanivohitra, manan-tantara sy mbola mihazona ny fomba Malagasy. Marihana moa fa misy mpanjaka mifehy azy mo io tanana io , ary Ilay Mpisikidy, izay antsoina hoe (Neny Ravelo )mpiambina ny fanidy sy ny asin-tanana an'Ankasina Ary n'y lanjan'ny fomban-tany Indray andro anefa dia nisy zavatra hafahafa nitranga tao Ankasina... Kay ity Neny Ravelo, dia mikasa ny handrava ny fitondran'ilay mpanjaka. Manana fomba iray izy mba hanatanterahana ny tanjony anefa izy dia ny hanokatra ny Vata Masinan'Ankizo (Cercueil de Madagascar), fitoeran-kery sy harena sarobidy izay tsy takatrin'saina ary hay hazavaina ny mistery fonosony . Ny lovan-tsofina no milaza fa "Avy any Egypta io Vata io no nalatsaka teto Madagascar nadritran'ny fikoron-tanana tao anatin'ny Ady lehibe faharoa noho fifanandrinana teo @ tandrefana sy ny tantsinanana ary misy ny karan-do an'ilay mpanjaka Roi Aboubacar izay karohan'ny mpikaroka amin'zao fotoana izao" Rehefa nosokafany ilay vata....Nitranga tsy nampoizina rehetra satria dia niparitaka ny hery izay tsy voafehy Ny mponina Ankasina na ny "Citoyen SAKRA" dia nitsipatsipaka teny ampitoherana daholo ary nivadika ho faty mitsangana, voasambotra sy voabaiko amin'ny sitrapon'ny Neny Ravelo. Tamin'ny fotoana izany, nisy olana hafa koa nipoitra... Ny zanaky ny Praiminisitra dia nalaina tamin'ny fomba féno mistery. Ny "Force Spéciale", tafika manokana, dia nandefa ekipa hiady sy hitady azy ao anatin'ny 6 andro – J-6. Ao amin’ny alan’i Sakra, no nitrangan'ny fifandonana sy fikarohana andro aman'alina. Vaky ny ady teo @ n'ireto tafika manokana sy n'y faty mitsangana... Etsy ankilan'izany anefa dia nisy profesora nikaroka ny zava-nitranga tao Ankasina koa taminio fotoana io ary niezaka namaha ny mistery. Fanontaniana lehibe no mipetraka eto ? Ho vitan'ireo tafika manokana ihany vé ny fanavotana ny zanaky ny Praiminisitra amin'ny fotoana voafetra?