Kiala Soa - Comédie musicale sur SEHATRA.COM
Tovovavy manana ny nofiny, ny fikasany ary ny fitiavany i Kiala Soa, kanefa tsy maintsy ajanony aloha izany satria mila miatrika ny tsy fahasalaman'i Neny izy mianakavy kely. Tsy izay ihany anefa, fa mila mitady vahaolana ara-bola ihany koa izy ireo, satria tena nihamafy ny aretin'i Neny. Ahoana ary no hiatrehan'i Kiala Soa sy ny ankohonany izany rehetra izany?